
Tontosa soamantsara tao amin’ny fokontan’Ambodimaga/Betsiboka, kaominina Maevatanàna faharoa ny Zoma 20 Novambra 2026 teo ny fanavazaona fanaovan-tsonia ny fifanekena fifamindram-pitantanana ny harena voajanahary azo havaozina any amin’ny fokontan’Antanimbaribe, niarahan’ny fitaliavam-paritry ny Tontolo Iaianana sy ny Fandrosoana lovainjafy Betsiboka, ary ny mpitantana vondron’olona Ifotony miray. Ny fifanekena nisy moa dia notanterahana teo anatrehan’ny lefitry ny prefektioran’i Maevatanàna sy ny Ramatoa ben’ny tanànan’ny kaominina Maevatanàna faharoa, izay nontronon’ireo tompon’andraikim-panjakana maro isan-tsokajiny avy ao amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka sy ny tany an-toerana. Voamarina, fa telo taona ny faharetan’ny VOI misahana ny fanaraha-maso ny harena voajanahary teo aloha, saingy lasa 10 taona izany an-kehitriny. Mila manaja ireo voarakotra ao amin’ny bokin’andraikitra ny mpikambana, hoy hatrany ny tompon’andrakitra tandrify.
Ratantely



