- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimanga-Maevatanàna : Saron'ny Zandary ny hazo tsy nisy taratasy notaterina an-tsokosoko

Ambodimanga-Maevatanàna : Saron’ny Zandary ny hazo tsy nisy taratasy notaterina an-tsokosoko

Tsara afina, nafenina ambadika  » Cageot »-na labiera, ireto bolongan-kazo miisa 37 tsy misy antontan-taratasy ireto, izay niainga avy any Mahajanga sy nokasaina hoentina any Antananarivo. Nandritra ny fiandraiketana ny lalam-pirenena fahefatra nataon’ny Zandary avy ao BPR na Brigade police de la Route Maevatanàna, tao amin’ny fokontan’Ambodimanga/Betsiboka, kaominina ambanivohitra Maevatanàna faharoa no sarona tao anaty fiara kamiao iray izany. Rehefa nosavaina moa ny tao anatin’ity fiara ity, dia hita sy voamarina, fa nahitana hazo tsy nisy taratasy notaterina an-tsokosoko. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia: Bois ordinaires manana halavana manodidina roa (02) metatra sy hadiry enim-polo (60) santimetatra avokoa ireto hazo ireto. Nogiazina eto Maevatanàna moa ireo hazo ireo, ary tanana hatao famotorana ny mpamily ilay fiarabe.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici