- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimita : Vehivavy nitondra moto nodomin’ny fiara, nitsoaka ity farany

Ambodimita : Vehivavy nitondra moto nodomin’ny fiara, nitsoaka ity farany

Potika tanteraka ilay moto scooter Jog nentin’ity vehivavy iray, raha nodomin’ny fiara Peugeot 405 tetsy Ambodimita ny alin’ny alakamisy lasa teo. Naratra mafy ilay ramatoa vokatry ny dona nahazo azy. Ilay fiara nandona kosa nitsoaka toy ny tsy teo, ary mbola karohina hatramin’izao. Tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any no niseho ny loza, raha ny fanazavana azo. Nanaja ary nanery tsara ny ankavanany ity kodiaran-droa ity izay niomana ny handeha hihazo ny lalam-baovao. Tamin’izay fotoana izay no nipoitra tampoka ilay fiara Peugeot ary nifaoka ankitsirano ity farany. Mafy dia mafy ny dona satria dia nipitika mihitsy ilay Jog ary potika. Tsy nijanona akory moa ilay fiara fa vao mainka nanohy ny lalana hatrany. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita ny loza ary niolomay namonjy ilay vehivavy mpitondra moto, izay naratra mafy. Ilay namonjy no niezaka nitondra ilay naratra tany amin’ny hopitaly tetsy Andohatampenaka. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ny polisy nijery ifotony ny zava-nisy ary nitondra ilay moto ho any amin’ny birao. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici