Nilanja sora-baventy omaly ny ray aman-dreny marobe. Izany dia mahakasika ny zava-nisy izay nampahaleho azy ireo satria nanjo ny mpianatra. Ny volana mey lasa teo no nitranga izany, nofatoran’ny tompon’andraikitry ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Ambodinisotry tamin’ny rojovy ny mpianatra telo, raha araka ny fitantaran’ireo mpanao fihetsiketsehana ihany. Izany dia taorian’ny fisian’ny vola very teo anivon’ilay toeram-pampianarana. Omaly vao fantatr’ireo ray aman-dreny ny zava-nitranga ary nahatonga azy ireo nitroatra avy harany nanatona ny EPP Ambodinisotry ka nitabataba sy nitondra sora-baventy. Mangataka izy ireo ny hanalàna tsy misy hataka andro ny talen-tsekoly noho ny fanitsakitsahana sy tsy fanajàna ny zon’ny ankizy. Vetivety dia feno olona teo anoloan’ilay sekoly ary tsy maintsy nidina haingana teny an-toerana ny polisy nifehy ny filaminana ary nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity. Ankoatra ny mety ho fanenjehana ara-pitsaràna dia tsy maintsy hisy koa ny fanadihadiana anatiny momba ity tranga ity. Izany hoe avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Raha tena mitombina mantsy ny zava-misy dia ho mafimafy ny vesatra mianjady amin’ilay tompon’andraikitra ary tsy ho afa-bela izy amin’ny maha-mpanabe azy kanefa izy indray no tsy nanaja ny zon’ny mpianatra. Mialoha an’izany anefa dia mila mamantatra tsara kosaa aloha ny mpanao fanadihadiana raha tena nisy ny noforonina ilay tranga. Arahin’ny maro ny fivoaran’ity raharaha etsy Ambodinisotry ity.
D.R



