
Nanao fanamiana polisy mihitsy ity farany mba tsy hampipetraka ny ahiahy teny aminy ary nanosika tsimoramora an’ilay moto. Saingy tsy nahasakana ireo tena mpitandro filaminana tena izy anefa … Ny harivan’ny alahady lasa teo, teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny, lehilahy iray, izay tsy fantatra na avy nangalatra moto no tra-tehaky ny polisy teny an-toerana. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nisandoka ho mpitandro ny filaminana ihany koa ingahirainy. Ao anatin’ny hetsika ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny polisy, indrindra fa amin’ireo faritra be olona sy malaza amin’izany eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny eny Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny. Misy foana araka izany ny fisafoana tsy an-kiato, ary tao anatin’izany ny nahasamborana ity olon-dratsy ity. Tamin’io fotoana io araka ny fampitam-baovaon’ny polisy dia sendra « polisy » iray nanosika moto, tsy nisy fanalahidy izy ireo. Nampiahiahy tanteraka ny zava-nisy, eny fa na hatramin’ny fanamiana izay tsy dia mifanaraka loatra amin’ny tokony ho izy. Nosakanana avy hatrany moa ny lehilahy ary mbola nilaza mazava fa « polisy » ihany ny lehilahy. Tsy nahasakana ireto polisy tena izy tsy hanohy hatramin’ny farany ny fanadihadiana azy anefa ny valin-teny. Hany ka nony farany dia nibaradaka ihany ingahy, nilaza ny tena marina : sivily izy fa nisandoka ho mpitandro filaminana fotsiny, hoy ny vaovao. Avy hatrany moa dia nosamborina tsy nisy fisalasalàna ingahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy ho amin’ny famotorana sy ny fakàna am-bavany azy. Ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra moa no miandraikitra ny raharaha sy ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L




