- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Tovovavy 19 taona, sady voaendaka no voan’ny fandraikirekena

Ambodin’Isotry : Tovovavy 19 taona, sady voaendaka no voan’ny fandraikirekena

Efa mihanaka ny ratsy ankehitriny, Tovovavy 19 taona no voan’ny fandraikiraikena sady voaendaka, teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny, tokony tamin’ny 9 ora maraina teo.Vokany lasan’Ireo olon-dratsy avokoa ny zava-drehetra teny amin’ity  tovovavy ity. Araka ny fitantaran’ity tovovavy ity dia nopehan’ ireo olon-dratsy ny soriny, avy eo nangatahiny izay nilainy ka tsy nandà ity zazavavy. “ Nopehany kely ny soriko, avy eo izay noteneniny tsy nisy nolaviko daholo” hoy ny filazan’ity niharan- doza mitantara ny nahazo azy. Saika hanovo fianarana moa Izy no tratran’Izao zavatra izao. Araka ny fanazavana voaray hatrany dia olona manao fitafy mihaja no nanao izao asa ratsy izao, miaraka amin’ny solomaso mainty izay tsy hahitana endrika firy, marihina moa fa olona tsy mifankafantatra izy ireto fa dia nomeny razazavavy avokoa izay nilainy no nahavariana. Rehefa vita kosa ny asa ratsin’ireto tsy mataho-tody dia vaky nandositra izy ireo. Finday sy vola  moa no voalaza fa lasan’ireto olon-dratsy.

Nangonon’i FINARITRA (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici