Tao anaty rà mandriaka tanteraka no nahitàna ity tovovavy iray teo Ambodin’Isotry, ny marain’ny sabotsy teo. Indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, na dia teo aza ny famonjena nataon’ireo mpitsabo.
Mpandalo sendra nahita no nahatsikaritra an’ity tovovavy ity, izay efa zary tsy nisy aina intsony ary nihoson-drà tanteraka, ny marain’ny sabotsy, tokony ho tamin’ny dimy ora lasa fahefany teo, teo amin’ny tobin-tsolika total izay efa tsy miasa intsony, teo Ambodin’Isotry. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina. Nentin’ireto farany haingana nihazo ny tobim-pahasalamana tetsy amin’ny Hjra moa izany vehivavy izany, izay hita fa naratra mafy tokoa. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina, mahery tany ho any no voalaza fa tsy tana ny ain’ilay vehivavy, na dia teo aza ny ala-nenina sy ny fitsaboana nezahin’ny mpitsabo natao taminy.
Hatreto, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny ratra nahazo azy. Ny fantatra dia tsindrona antsy maromaro no niantefa teny amin’ny vatany ary efa ora maromaro talohan’io izy no voa. Tombanan’ny rehetra ho nisy nanendaka teny an-toerana moa izany vehivavy izany ary angamba mety nisy fanoherana tao ka tsy namelan’ireo olon-dratsy raha izao namoy ny ainy izao.
Efa eny am-pelatanan’ny pôlisy moa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay mety ho olon-dratsy amin’izao. Ny vatana mangatsiakan’ity vehivavy ity kosa dia napetraka tao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly, mandram-piandry ny fianakaviany.
m.L




