- Publicité SW45 -
jeudi, mars 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmboditsiry : Lasan’ny « gardien » ny basin’ny tompon-trano

Amboditsiry : Lasan’ny « gardien » ny basin’ny tompon-trano

Basy poleta ilay mba efa moderina be ireny, niaraka tamin’ny bala maromaro. Niampy firavaka volamena izany. Ireo no lasan’ny mpiandry ny tanàna iray tetsy Amboditsiry. Noraisin’ny brigade criminelle ny fanadihadiana ary ilay mpiambina no voasambotra voalohany. Efa nahitàny làlana namidy dimy tapitrisa ariary ilay fitaovam-piadiana. Nosamborina koa ny roa lahy nividy izany tetsy 67ha. Nisy lehilahy iray hafa izay voasambotra koa noho ny firaisana tsikombakomna tamin’ilay mpiambina tamin’ny fanatontosana ny halatra. Momba ireo firavaka volamena indray dia efa lafony teo Analakely avokoa izany. Betsaka ny olona no efa tsy manakarama mpiambina intsony satria ny ankabeazan’ny vaky trano sy fanafihana dia saika izy ireo ihany no nivadika tamin’ny asany. Mahafantatra ny antsipirian’ny tanàna arovany mantsy izy ireny ary mora ho azy ny mangalatra rehefa manomboka mipetraka ny fitokisan’ny tompon-trano. Amin’iny fotoana tsy ampoizina iny indrindra no hanatontosany ny asaratsiny. Betsaka izay efa nanenina izay.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici