Ireny mpanosika « kalesa » ana orinasa mpamokatra ranomboakazo ireny ny iray ary mpandeha an-tongotra ny roa. Ireo no olona naratra mafy vokatry ny fifaohana nataon’ny fiara tsy mataho-dalana iray, ny voalohandohan’ny herinandro teo, teny amin’iny faritra Ambodivona iny. Araka ny fanazavàna azo dia nanana olàna ara-teknika tamin’ny fiara nentiny ny mpamily ka izao nahavoafaoka olona teny an-tsisin-dalana izao.
Na dia efa maro tamin’ireo fiarana kaoperativa tokoa aza no nalefa eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao eny Andohatapenaka dia mbola azo lazaina fa be olona mifamezivezy ary tsy mety afaka fitohanana etsy Ambodivona. Tao anatin’izany olona marobe izany indrindra no sendra ny tampoka ihany koa ity fiara tsy mataho-dalana ana ministera iray. Avy any Ankadifotsy handeha hihazo an’Ambodivona ity fiara ity no nilaozan’ny hisatra ary nikivalavala fotsiny nidina ilay fidinam-be, nandona ireo olona nifanena taminy, eny fa na hatramin’ireo olona teny amin’ny sisin-dalana aza. Ity mpanosika kalesa nisy zava-pisotro ity no voadona voalohany, saingy tsy mbola nahatafajanona ilay fiara izany. Nitohy nandavo ireo mpandeha an-tongotra teny amin’ny sisin’arabe izy nony avy eo, ary namarana ny diany teny amina tambohon’olona. Nitangorona ny olona ary nisy ihany koa ireo tezitra, saingy mora nalamina ihany izany. Ireo naratra kosa nentina avy hatrany namonjy hôpitaly tetsy amin’ny Cenhosoa Soavinandriana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana ary ry zareo avy ao amin’ny borigadin’ny zandary misahana ny eto an-drenivohitra no misahana kosa ny fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity.
m.L