- Publicité -
vendredi, octobre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mikorontana indray

Ambodivona : Mikorontana indray

Efa nandalovan’ny kaominina ary nilamina tanteraka taorian’izay. Nalalaka ny làlana nanomboka teo ary mba azo niainana teny Ambodivona. Izay anefa no ela fa tsy nisy roa herinandro taty aoriana dia efa niverina indray ny korontana : ny fiara mipetraka etsy sy eroa, ny varotra an-tsisin-dàlana, ny kodiaran-droa etsy sy eroa. Miverina sempotra indray ny làlana ary mazava ho azy fa miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana indray izany. Dia mila ambenana ohatra ny omby ve izany ny eto an-drenivohitra vao afaka hanara-dalàna? Sa kosa efa tena lasa kolontsaina ny mivelona ao anaty korontàna?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici