- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Telo mianadahy avy ni-bal, voaendaka, lasa ny vola tao anaty...

Ambodivona : Telo mianadahy avy ni-bal, voaendaka, lasa ny vola tao anaty sakaosy

Ny alahady lasa teo , tokony ho tamin’ny 9 ora alina , no nitrangan’ity asa fanendahana ity, teny amin’iny faritra Ambodivona iny. Araka ny loharanom-baovao voaray dia fantatra fa  olona telo mianadahy avy namonjy alim-padihizana no voaendaky ny jiolahy dimy teny amin’iny toerana iny. Vokany : lasan’ ireto mpanendaka ireto ny vola tao anaty sakosy , niaraka tamin’ny finday lafo vidy.  Ny fitantaran’ireo nahita ity tranga ity dia nokendain’ireto jiolahy ireto izy telo no sady novonoiny. Lavo tamin’ny tany kosa ny roalahy ka teo no nangalan’ireto mpanendaka ireto ny sakaosy teny an-tanan’ilay vehivavy . Tsy afa-nanoatra moa izy telo niaram-boina ireto noho ny herisetran’ireo mpanendaka. Fantatra fa nisy nahatsikaritra ity fanendahana ity  ka nahita ny zava-nitranga teo. Efa alina tanteraka moa ny andro ka tsy nampandre ireo mpitandro filaminana ireo izay nahita fa dia vaky nandositra fotsiny . Ireto jiolahy voalaza fa miisa dimy , nitondra fitaovana maro samihafa. Vantany vao vita kosa ny asa ratsin’izay dimy lahy mpanendaka dia niala haingana ny toerana avokoa izy ireo. Ireto telo mianadahy voaendaka kosa nanohy ny lalana fodiana, tsy nahantso vonjy akory na niantso ny polisy.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici