Olona iray naratra. Nitrangana hain-trano mahatsiravina indray tetsy Ambodivona ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Trano hazo 19 isa no hila hotohoto, ary lehilahy iray no fantatra fa naratra tao anatin’izany. Ny eo mbola tsy vita akory, may indray ny hafa. Volana vitsy lasa tokoa izay no nitrangana hain-trano goavana tetsy Ambodivona, tsy lavitra ny tobim-tsolika iray. Mbola eo an-dalam-panorenena izany ireo tompon’ny fivarotana may tamin’ireny, no nitrangana hain-trano hafa indray tetsy Ambodivona ihany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tetsy amin’ireo trano hazo fivarotana tongolo, sy sakamalaho, sy hani-masaka, akaikina trano fandraisam-bahiny iray eny an-toerana. Tao anatin’ilay fotoana nitsenanan’ny Barean’i Madagasikara tonga teto an-tanindrazana iny mihitsy no nitranga ny loza araka ny fanazavàna azo avy tamin’ireo mpamonjy voina : nanodidina ny tamin’ny fito ora latsaka fahefany tany ho any. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny firehetana, hoy ny fanazavàna. Samy tsy misy teo an-toerana mantsy ireo tompon’ny tsena, moa ny ankabeazan’ny rehetra ihany koa dia namonjy nijery ireo maherifon’ny Firenena avokoa. Efa afo mijoajoala sy setroka mijolofotra no nanaitra ny manodidina ka niantsoana vonjy avy hatrany. « Somary nampanano sarotra ny fandehanana teny an-toerana nanatanteraka ny asa, hoy ny fanazavàna azo noho ny habetsaky ny olona sy ny fitohanan’ny fiara be dia be teny an-toerana ». Na izany aza dia minitra vitsy taorian’ny nahatongavan’ireo mpamonjy voina teny an-toerana dia voafehy sy maty tanteraka ny afo. Mitotaly 19 ireo trano hazo may tanteraka niaraka tamin’ny entana tao anatiny teny an-toerana. Nisy lehilahy iray ihany koa no naratra vokatr’izany hain-trano izany teny an-toerana. Saingy teny an-toerana ihany moa no notanterahana ny fitsaboana azy. Efa tonga teny an-toerana ihany koa moa ny mpitandro filaminana, nanao ny fanadihadiana. Tsy fantatra mantsy fa firehetana nateraky ny loza tampoka ny nahatonga izany na hain-trano niniana natao.
m.L