- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbofilao : Rongony mahery vaika nafenina tao anaty mofo sy « sachet »

Ambofilao : Rongony mahery vaika nafenina tao anaty mofo sy « sachet »

Lehilahy miisa efatra no nosamborin’ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, ny alin’ny alarobia lasa teo, noho ny resaka fanaparitahana rongony mahery vaika. Ny roa tamin’izy ireo, araka ny vaovao azo hatrany dia voasambotra tetsy Ambodifilao, raha teny Faravohitra kosa ny roa hafa. Mpamatsy ireny rongony fantatra amin’ny anarana hoe « cristal » irony izy ireo, ary mbola nahitàna maromaro tany amin’ireto farany.

Nafenin’ireto roalahy tratra tetsy Ambodifilao, tao anaty mofo sy « sachet » izany rongony mahery vaika izany, kanefa rehefa nisy ny fisavàna nataon’ireo pôlisy dia tra-tehaka ihany nony farany. Izy ireo indray avy eo no nanoro ireo namany, izay namatsy azy ireo tetsy Faravohitra. Tratra tao amin’ny hôtely iray teny an-toerana ireto farany. Nosamborina avy hatrany. Ny pôlisin’ny SUT etsy Tsaralalàna no nanohy ny raharaha amin’ny fanadihadiana azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici