- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Andian-jiolahy rain-dahiny, tratra niaraka tamin’ny basy sy bala

Ambohibao : Andian-jiolahy rain-dahiny, tratra niaraka tamin’ny basy sy bala

Lehilahy  dimy, izay voarohirohy tamina fanafihana mitam-basy, teny amin’iny faritr’ Ambohibao Antehiroka iny no saron’ny zandary, ny sabotsy teo. Mbola nahitana basy roa sy bala enina tany amin’ireto andian-jiolahy, izay voalaza fa efa rain-dahiny tanteraka amin’ny fanafihana nanditra ny fisamborana azy ireo. Fanafihana mpivaro-bary teny an-toerana no nahavoarohirohy ireto olona ireto. Niaiky izany rahateo aza ireto andian-jiolahy ireto tamin’ny famotorana natao azy, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary hatrany.

Raha tsiahivina ny zava-niseho, dia nitranga ny harivan’ny 15 aprily lasa teo. Lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana ny tsena iray teny amin’iny faritra Ambohibao iny. Naratra tamin’izany ny tompon’ny tsena ary lehilahy iray izay mpivarotra nifanila tamin’izy ireo no namoy ny ainy. « Niroso tamin’ny famotorana ny zandary ka efa nisy ny fanaraha-maso natao tamin’ny olona iray antsoina hoe Mainty izay nahiana mafy ho isan’ny nahavanona io heloka io »  hoy ny vaovao. Taty aoriana, fantatra fa misy olona iray mpiray tsikombakomba amin’ity Mainty ity, izay fantatra fa mpisoloky sy mpaniraka ireo andian-jiolahy. Tamin’io fotoana io dia nanomana teti-dratsy izy ireo handrobana mpividy fiara iray. « Tao anatin’izany fanaraha-maso izany no nahazoana vaovao milaza, fa misy lehilahy iray hafa atao hoe Radadafara izay manana fiara no mody mivarotra izany ka niantso an’io Mainty io sy ny namany mba hamono sy hangalatra ny volan’ilay olona izay nikasa hividy ny fiara ny tolakandron’ny 29 aprily 2017 teo, teny amin’ny 67Ha. Tokony ho tamin’ny 11ora antoandro, dia niroso tamin’ny fisamborana ireo olona  enina efa nikononkonona tao anatin’ilay fiara mody namidy ny zandary. Voasambotra ny dimy tamin’izy ireo ary tafaporitsaraka kosa ny iray » hoy ny fampitam-baovao. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no niaiken’izy ireo tsara, fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana teny Ambohibao. Ary tsy vitan’izay fa saika mbola hikasa hanafika olona iray hafa koa izy ireo ny harivan’ny nahatrarana azy ireto. Eo anatrehan’izany moa, « ny zandarimariam-pirenena dia manentana hatrany ny mponina mba tsy hisalasala hilaza avy hatrany ny toe-javatra mampiahiahy misy eny amin’ny fiarahamonina eny mba hisorohana ny asan-jiolahy ». Ireo olon-dratsy voasambotra ireto kosa dia fantatra efa natolotra ny Fampanoavana, omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici