- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao Antehiroka : Telo mirahavavy nitsoaka ny tranony fa “bedy lava”

Ambohibao Antehiroka : Telo mirahavavy nitsoaka ny tranony fa “bedy lava”

Nanemitra ny rindrina teny amin’iny faritra Antehiroka iny, nanomboka ny alarobia lasa teo ny filazana zaza very. Telo mirahavavy izy ireo, 13 taona ny zokiny indrindra, 11 taona ary 10 taona, izay samy monina eny amin’iny faritra Ambohibao Antehiroka iny avokoa. Ny roa vavy amin’izy ireo no mpirahavavy mpiray tampo, raha mpinamana sy mpiara-mianatra amin’iretsy voalohany kosa ny fahatelo. Araka ny filazan’ny ray aman-drenin’izy ireo dia handeha hianatra no niàlany tao an-trano, tamin’io alarobia io kanefa dia tsy niverina intsony izy ireo. Ho an’iretsy roa vavy mpiray tampo dia nambaran’ny reniny fa ny iray amin’izy ireo dia efa fetsifetsy sy tia mangala-bola tao an-trano. Nobedesina noho izany toetrany izany izy, ka angamba, hoy ity renin’izy ireo ity mety nataony am-po io fibedesana azy io, ary mety hisy ifandraisany tamin’izao tsy fahitàna azy ireo izao. Raha ny fantatra tokoa mantsy, dia nisy taratasy napetrak’ireo mpirahavavy ho an’ny ray aman-dreniny tao an-tranony, izay nilaza fa “handeha izy ireo fa leon’ny fibedesana lava ataon’ireo ray aman-dreniny”. Nametra-beloma ho an’ireo fianakaviany ary nilaza fa “mety mbola hifankahita indray andro any fa, raha izao aloha dia handeha izy ireo”. Raha ny fizotry ny zava-nisy dia ireo mpirahavavy no nikotrika ilay fandehanana fa nanara-drenirano fotsiny ilay namany, izay namafisin’ny reniny ihany koa fa tsy nisy fibedesana fa fitenenana azy tao an-trano. Nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana ireto fianakaviana ireto rehefa voamarina fa tsy hita ireto ankizy ireto; izay tsy tany am-pianarana ihany koa. Raha ny vaovao farany omaly hariva, dia fantatra fa hita teny amin’iny faritra Imerinafovoany iny ireto telo vavy ireto, izay hita fa tena reraka dia reraka tokoa. Vaovao izay nohamarin’ny zandary misahana iny faritra Ambohibao iny. “Eo anatrehan’ny zava-misy dia tsy maintsy manokatra ny fanadihadiana izahay, eny fa na dia hoe efa hita aza izy ireo. Ekena fa mety ho endrika fitsoahana ny nataon’ireo zaza ireto kanefa tsy fantatra izay tena ao ambadika. Indrindra moa fa hoe zazavavy mbola tsy ampy taona izy ireo”, hoy ny fanazavàna azo. Anio no fantatra fa hanombohana izany fanadihadiana izany sy hitsirihana ireto zaza ireto eny amin’ny mpitsabo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici