- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Notifiriny teo amin’ny lohany ny mpampiasa azy

Ambohibao : Notifiriny teo amin’ny lohany ny mpampiasa azy

Ny alina ihany dia tratra tao Toamasina.

Teo Ambohibao no nitranga ny heloka bevava. Mpamily no nahavanon-doza ary mpandraharaha avy any Sava no mpampiasa azy. Avy naka vola tany amin’ny banky izy roa lahy ary rehefa nandalo teo amin’ny manodidina an’Ambohibao dia nalain’ilay mpamily ny basin’ny mpampiasa azy. Notifiriny avy hatrany ary maty tsy tsa-drano. Nentiny nitsoaka avy eo ny vola vao nalaina. Ny andron’iny ihany dia efa fantatra ny zava-niseho rehefa nandray an-tànana ny fanadihadiana ny zandary. Fantatra ny momba ilay mpamono olona : Sabrino Noelin dit Silamo. Namoahana filazana fikarohana avy hatrany izy ary navoitra tao anatin’izany fa manome valisoa 20 tapitrisa Ariary ho an’izay mahita na manome vaovao marim-pototra momba azy ny fianakavian’ny maty. Fantatra koa fa nentiny nitsoaka niaraka taminy ny fiara tsy mataho-dàlana izay an’ny mpampiasa azy.  Ny alim-ben’ny asabotsy dia niparitaka ny vaovao fa voasambotra tao Toamasina ilay mpamono olona. Rehefa nohamarinina dia nitombina tokoa. Teo akaikin’ny hopitaly kely izy no azo ary mbola niaraka tamin’ny fiara 4×4 izay nentiny niala teto an-drenivohitra, taorian’ny famonoana izay nataony. Fiaraha-miasa tamin’ny polisy tao an-toerana tamin’ny olon-tsotra nanome vaovao no nahazoana azy, taorian’ny fiparitahan’ny filazàna fikarohana izay nivoaka ny andron’ny asabotsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici