Raha ny fijery azy ireo tampoka tokoa aloha dia miova tsy toy ny karaoty tsara tondraka, maitso mavana aok’izany ary heverina fa tena ho be vodiny ? Saingy tsy izay no zava-nisy. Ny alarobia lasa teo tokoa mantsy, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo zandary avy ao Ambohibary, distrikan’Antsirabe II iny, taorian’ny angom-baovao azo dia sahan-drongony iray no sarona, tao Sahabe, fokontany Mahatsinjo. Tanimboly lehibe tokoa saingy ilay zava-maniry raràn’ny lalàna no teo amboniny. Nahatratra aman-jatony fototra no hita ary ny tena loza dia efa nitango ny sasany tamin’ireo vokatra ireo namboly azy. Mbola nahitàna rongony maina, teo amin’ny roa gony teo mantsy tao amin’izy ireo ary ravina vao avy nongotona roa « sachet ».
Raha ny fampitam-baovao azo dia olona roa tao an-toerana no voatery nosamborina sy nentina natao fanadihadiana. Lehilahy ny iray ary vehivavy ny iray, izay samy monina ao an-toerana avokoa. Taorian’ny fitondrana ireto voasambotra ireto tany amin’ny biraon’ny zandary dia niroso tamin’ny fanongotana izany rongony izany hatramin’ny fakany ireo zandary. Nahatratra hatrany amin’ny 375 ireo rongony naniry ary nentina nogiazana any amin’ny birao, niaraka tamin’ireo rongony maina sy ireo ravina rongony vao notazana. Marihina fa mbola ao anatin’ny famotorana sy fanadihadiana tanteraka ireo zandary amin’izao. Matoa mantsy misy ny mamboly dia tsy maintsy misy mpandray ireo vokatra …
m.L