- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibary Moramanga : Jiolahy zaza amam-behivavy mirongo basy, olona roa voatifitra

Ambohibary Moramanga : Jiolahy zaza amam-behivavy mirongo basy, olona roa voatifitra

Fanafiahana mitam-piadiana no nahazo ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Befotsy ao anatin’ny kaominina Ambohibary izay fito kilaometatra miala ny distrikan’i Moramanga ; ny alin’ny 17 aogositra 2016 tokony ho tamin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 1 ora maraina ary naharatràna olona roa vokatry ny tifitra teny amin’ny lohany sy teny amin’ny tanany. Manao ireny pataloa mitovitovy amin’ny mpitandro filaminana ireny ireo jiolahy sady misaron-tava. Nitondra basy sy antsy ireo mpanafika ; miisa fito ary vehivavy ny iray tamin’izy ireo sady nitondra zaza. Tokantrano roa no nahazon’ireo olon-dratsy vola nandritra io ora iray nanaovany ny fanafiana io. Mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka ireto fianakaviana ireto izao niharan’ny fanafihana izao, sady taitra tampoka tamin’ny poa-basy. Anisan’ny notadiavin’ireto mpanafika ireto talohan’ny nandravany an’ireo entana maro sy ny vola tao am-pivarotana ny zanaka vavin’ireo tompon-trano saingy afa-nandositra nandritra ny fipoahan’ny basy ity tovovavy ity. Taorian’ireo dia izay olona nifanena taminy tao ivelany no notereny nampiditra an-trano azy ka nahazoany vola hatrany. Vokany : tokantrano roa no niharan’ny fanafihana ary olona roa no naratra vokatry ny fifanoherana ary bala telo no hita teo amin’ny tokotany manodidina ny trano voatafika. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana hatrany ny ben’ny tanànan’Ambohibary, satria efa vonona hatrany ireo fokonolona amin’ny fanomezan-tanana amin’ny filaminana.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici