- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibary Moramanga : Jiolahy zaza amam-behivavy mirongo basy, olona roa voatifitra

Ambohibary Moramanga : Jiolahy zaza amam-behivavy mirongo basy, olona roa voatifitra

Fanafiahana mitam-piadiana no nahazo ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Befotsy ao anatin’ny kaominina Ambohibary izay fito kilaometatra miala ny distrikan’i Moramanga ; ny alin’ny 17 aogositra 2016 tokony ho tamin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 1 ora maraina ary naharatràna olona roa vokatry ny tifitra teny amin’ny lohany sy teny amin’ny tanany. Manao ireny pataloa mitovitovy amin’ny mpitandro filaminana ireny ireo jiolahy sady misaron-tava. Nitondra basy sy antsy ireo mpanafika ; miisa fito ary vehivavy ny iray tamin’izy ireo sady nitondra zaza. Tokantrano roa no nahazon’ireo olon-dratsy vola nandritra io ora iray nanaovany ny fanafiana io. Mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka ireto fianakaviana ireto izao niharan’ny fanafihana izao, sady taitra tampoka tamin’ny poa-basy. Anisan’ny notadiavin’ireto mpanafika ireto talohan’ny nandravany an’ireo entana maro sy ny vola tao am-pivarotana ny zanaka vavin’ireo tompon-trano saingy afa-nandositra nandritra ny fipoahan’ny basy ity tovovavy ity. Taorian’ireo dia izay olona nifanena taminy tao ivelany no notereny nampiditra an-trano azy ka nahazoany vola hatrany. Vokany : tokantrano roa no niharan’ny fanafihana ary olona roa no naratra vokatry ny fifanoherana ary bala telo no hita teo amin’ny tokotany manodidina ny trano voatafika. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana hatrany ny ben’ny tanànan’Ambohibary, satria efa vonona hatrany ireo fokonolona amin’ny fanomezan-tanana amin’ny filaminana.

CATHY

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici