- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibary Moramanga : Razana efa simba hita tao anaty honahona

Ambohibary Moramanga : Razana efa simba hita tao anaty honahona

Nielenelana hatramin’ny 02 km ny toerana nahitana ny vatany sy ny lohany. Efa simba tanteraka no efa nibotsia ny vatany izay tao anaty ran misy onaona no nahitana azy tao Bejabora ao anatin’ny kaominin Ambohibary.Ny ambiny sisa tsy may tamin’ny lohany no nalaina teo akaiky ny trano fonenan’ity nahavanon-doza izay efa nasitriny tao anaty lavaka. Ny asabotsy 03 febroary 2018 maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany no nahitan’ireo fokonolona sy ny fianakaviany ny razana. Raha efa tamin’ny 11 ora alina ny zoma 02 febroary  kosa no efa teny an-toerana ny zandary nanao ny fitadiavana.Efa tokony ho tamin’ny iray ora atoandro kosa no hita ny ambiny sisa tsy may tamin’ny lohany izay natoron’ity nanao azy ihany rehefa nampahafantarina azy ny fahitana ny vatany izay antony nanoroany ny toerana nanasitrihany ny lohany.Niha mafy hatrany ny firaisankin’ireo fokonolona tao amin’ny fokontany tsarafasina sy ny zandary nandritra ny fikarohana ny razana. Nandritra ny fitondrana ny razana dia nanararaotra nandositra avokoa ireo fianakvian’ny nahavanon-doza.Fantatra ihany koa fa efa fanintelon’ny olona novonoiny sy nataony toizao ity raim-pinakavian 74 taona ity  . Efa matetika ny manefa sazy ao am-ponja ihany koa ity olona nahavanon-doza ity. efa any am-ponja ny harivan’ny asabotsy 03 febroary 2018 ity lehilahy nahavita nandoro olona ity.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici