- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibary Sambaina : Taxi-brousse voasakan-dalàna, lasa ny vola 8 tapitrisa ariary

Ambohibary Sambaina : Taxi-brousse voasakan-dalàna, lasa ny vola 8 tapitrisa ariary

RN-7Niverina indray ny fanakanan-dalàna eny amin’ny lalam-pirenena. Taxi-brousse iray no lasibatra teny amin’iny lalam-pirenana faha-7 iny.

Raha nangingina tokoa tao ho ao izay ny fanakanan-dalàna tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny dia miverina indray izany ankehitriny. Taxi-brousse avy aty an-drenivohitra no lasibatry ny jiolahy indray teny amin’iny faritra Ambohibary Sambaina iny, raha handeha hizotra mianantsimo, ny alin’ny alarobia lasa teo. Vokany, voaroba avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny, tsy nisy an-kanavaka. Araka ny fampitam-baovao azo dia mitentina eo amin’ny 8 tapitrisa ariary teo no vola azon’ireo olon-dratsy, niampy ny entana sy fitaovana ary ny firavaka sarobidy azon’izy ireo nentina. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no nitrangan’ity fanakanan-dalàna ity, raha ny vaovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana ireto. Efa tafiditra tao anatin’ny tetikadin’ireto andian-jiolahy mihitsy ny fisafidianana an’ilay toerana. Somary ankodahoda mantsy ilay izy, raha ny vaovao hatrany, ka sarotra tamin’ireo voatafika ny nampandre ny zandary, izay adim-pamantaranandro maromaro taty aoriana vao naharay ny antso. Tamin’io alina, raha ny loharanom-baovao hatrany, dia nisy hazo be nisakana teo am-povoan-dalana. Tsy nisy nanam-po na inona na inona teo ny iray fiara, satria toa efa nilamin-tsaina fa efa foana io fanankan-dalana io. Tsy nampoizin’ireo fa tamin’ny fotoana nijanonan’ilay fiara no nipoitra avy any ny andian-jiolahy am-polony maro, nirongo basy, raha ny vaovao avy any an-toerana hatrany, avy hatrany dia nanambana ny iray fiara. Tsy nisy azo natao fa dia nilefitra nanaraka ny baikon’ireto jiolahy ny mpandeha. Nanararaotra tokoa ireto mpanankan-dalàna ireto namita ny asa ratsiny. Soa ihany fa mba tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany fanafihana izany. Efa eny am-pelatanan’ny zandary ny raharaha, ary mandeha ny famotorana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny fantatra.

Asa tokoa raha ny fahabetsahan’ireo olona mivoaka ny renivohitra no mahatonga ny fiverenan’izao fanankanan-dalana izao indray eny amin’ireo lalam-pirenena maro mifamezivezy. Lasa ny sain’ireo mpanara-baovao, fa inona fotsiny no ataon’ireo mpitandro filaminana ? Toa tsy misy kitro azo ifaharahana intsony mantsy ireo valala tsy mandady harona, raha tsy sanatria matimaty foana amin’ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny hadisoan’ny mpamily sasantsany izy ireo dia izao rembin’ireo olon-dratsy izao indray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici