- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibary : Telo mianaka nodorana velona tao an-tranony

Ambohibary : Telo mianaka nodorana velona tao an-tranony

Natolotra ny fampanoavana ny 04 novambra 2019 ilay voarohirohy ho nandoro velona ka nahafaty ny reniny. Disadisa teo amin’ ny samy mpianakavy mahakasika ny lovan- drazana hiraisana no antony. Mpianadahy iray tampoho no tsy nifankahazo. Zanaky ny vavy ireo may niaraka tamin’ ny renibeany ireo. Ny atoandron’ ny 31 oktobra 2019 tokony tamin’ ny 12 ora sy sasany atoandro teo am- pisakafoanana no nirehatra ny trano tao Ambonidobo kaominina Ambohibary, efa 75 taona ilay ramatoa,4 taona ilay zaza iray ary 18 volana ny iray. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nodarohana aloha mba tsy ahafan’izy ireo mitsoaka vao nodorana velona tao. Trano somary mitokana satria eny an- tsaha, izy renibe moa mitaiza ireo zaza ary ny renin’ilay zaza kosa mamboly any antanimboly izy mbola lavitra ny toerana nametrahana azy telo miafy, raha toa ka efa trano sy toerana mahazatra azy ireo rehefa mian- tsaha toizao. Efa levona ny afo vao tonga izy. Tsy niandry ela kosa ny teo anivon’ ny tobim- paritry ny zandary raha vao nahazo antso fa nanao ny velam- pandrika avy hatrany dia izao nahatrarana ny anadahiny izao.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici