- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidahy Ankadindramamy : Jiovavy anankiroa tra-tehaky ny pôlisy

Ambohidahy Ankadindramamy : Jiovavy anankiroa tra-tehaky ny pôlisy

Anisan’ny faritra be olona sy be mpiantsena raha iny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy iny, indrindra fa rehefa sabotsy hariva sy alahady. Ary ny toerana be olona matetika, tsy ilaozan’ireo tontakely sy jiolahy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy jiolahy no hita teny fa jiovavy. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisim-pirenena dia roa vavy voalaza fa isan’ireo mpanao sinto-mahery ikoizana eny an-toerana no tafiditra tao anatin’ny haraton’izy ireo. Mbola misy namany miriaria any, saingy efa fantampantatra ary heverina fa ho avy tsy ela ihany koa ny fisamborana azy.

Ny alahady teo tokoa mantsy dia mpiantsena iray no lasibatr’izy telovavy teny an-toerana. Mazava ho azy, fomba fiadin’ireo tontakely ny mifangaro amin’ireo mpiantsena sy manao izay tsy ahafantarana azy ireo mihitsy. Miara-misisika amin’ireo mpijery vaky « bal » sy ireo mpanao « solde ». Samy ampiasain’ireto tontakely vehivavy ireto avokoa ireo saingy manampy paik’ady manokana izy ireo. Ataon’izy ireo izay hahavariana tanteraka izay ho lasibatra ary ny hafa maka izay azo nalaina. Tamin’io andron’ny alahady io, izay marihina fa andro tsena teny an-toerana, dia poketra nisy vola sy antonta-taratasy no azon’izy ireo. Nampandre avy hatrany ny polisy ilay lasibatra. Napetraka ny vela-pandrika ary ireo voajono ireo ny roavavy saingy tafaporitsaka kosa ilay namany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa izy ireo ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana.

Fa ankoatra azy ireo dia fantatra ihany koa, araka ny filazan’ireo mpivarotra sy ny mpiantsena izay efa lasibatra teny amin’ny tsenan’Alakamisy, teny Mahamasina teny fa efa mihaodihaody any indray ry « marovavy » isany. Izy ireto izay efa malaza ratsy ihany koa amin’ny resaka fanatahana poketra sy sakaosin’ireo mpiantsena amin’ny « lame » sy zava-maranitra. Ka na hoditra be aza dia mbola vitan-dry zavavy ny manataka azy. Marihina fa efa nisy fotoana voasambotry ny pôlisy tao anaty hetsika manokana izy ireo ary efa nadoboka am-ponja. Nilamindamin-dratsy ny teny an-toerana taorian’izay saingy izao miverina izao indray ary voalaza fa mbola ry « marovavy » ihany no tompon’antoka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici