- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidahy-Itaosy : Leon’ny “delestage” lavareny, nidina an-dalambe ny mponina

Ambohidahy-Itaosy : Leon’ny “delestage” lavareny, nidina an-dalambe ny mponina

Nisahotaka ny teny Ambohidahy-Itaosy ny alatsinainy alina teo. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’iny faritra iny noho ny sakana tamin’ny alalan’ny doro kodiarana nataon’ireo mponina eny an-toerana nanehoan’izy ireo ny fahatezerany noho fahatapahan-jiro na “delestage” misesy sy lavareny. Tsy maintsy nidina teny an-toerana mihitsy ireo mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha vao nirava ireo mpanao fihetsiketsehana. Milaza ireto vahoaka ireto fa efa ela no niaretan’izy ireo izao toe-javatra izao saingy ilay niseho tamin’ny zoma sy ny sabotsy teo no tena nampitroatra azy ireo. Tapaka ny jiro ny Zoma tamin’ny 6 ora sy sasany ary tsy niverina izany raha tsy ny Sabotsy tamin’ny 2 ora 30. Nihevitra ny maro fa mba handeha tsara amin’izay ny herinaratra saingy tapaka indray izany tamin’ny 6 ora hariva tany ho any. Ny olana, hoy ihany ny fitarainan’ireto mponina dia ny ao Ambohidahy ihany no iharan’ny toy izao. Ny fanazavana avy amin’y Jirama anefa dia ny hoe mety misy “surtension” no mahatonga izany. Ny nahagaga anefa dia niverina ilay Jiro rehefa nidina teny an-toerana ny Emmo-Reg io Alatsinainy alina  io.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici