- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidranandriana Antsirabe II : Lehilahy iray maty voadaroka nandritra ny lanonam-pamadihana

Ambohidranandriana Antsirabe II : Lehilahy iray maty voadaroka nandritra ny lanonam-pamadihana

Lehilahy iray no maty nandritra ny lanonam-pamadihana iray tao Ambohidranandriana Distrika Antsirabe faharoa.

Mbola ao anatin’ny androm-pamadihana tanteraka amin’izao, indrindra ny eto Vakinankaratra izay tena mbola mandala sy manaraka ity fomba malagasy ity. Raha fifaliana hatrany no Ihaonan’ny mpianakavy rehefa androm-pamadihana, tsy mba izany kosa no nitranga tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Fanjakamandroso Antsirabe II fa niafara tamina fahafatesana fianakaviana iray ny lanonana tamin’ny 2 septambra lasa teo. Nandritra ny alim-pandihizina, alina iray mialoha ny famokarana ( famonosan-damba ny taolam-balo) no raikitra ny sakoroka. Lehilahy iray no voalaza fa nanapoaka labiera, toy ireny “champagne” ireny, nisy tamin’ireo nandihy no nipitihan’ny ranona labiera ka tezitra mafy ary nanangam-bovona avy hatrany. Nambaran’ny zandary nanao ny fanadihadiana fa notaritina bandy roa lahy tany ambadiky ny fasana ity lehilahy iray ity rehefa samy avy nifamaly sy nifanao taim-bava. Avy hatrany dia nofinganin’izy roa lahy ity lehilahy ity ka nifanotofany nodarohana teo. Fantatra fa mbola nisy telo hafa koa nanampy namono azy ary tsy navelany raha tsy efa tsy nahatsiaro tena intsony. Rehefa izany dia nandositra izy dimy lahy nahavanon-doza. Efa nikaroka azy anefa ny vadin’ity voadaroka tamin’io fotoana ary ireo lehilahy efa nandositra no tazany. Niantso fokonolona ilay ramatoa avy eo nikaroka ity andefimandriny. Akory ny hatarainy nahita ny vadiny efa tsy mahatsiaro tena intsony teo ambody fasana. Nentina nody haingana ilay rangahy notsaboina, saingy io alina io ihany dia tsy tana intsony ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy. Taorian’ny fitoriana napetrak’ilay ramatoa, niroso tamin’ny fisamborana ny zandary ka telo lahy no tratra hatreto, voasambotra tamin’ny fiandohan’ity herinadro ity izy ireo ary mbola manaraka ny famotorana atao azy. Araka ny voalazan’ny zandray hatrany dia niaiky ny heloka vitany ireto telo lahy ireo. Mbola karohina kosa ny namany hafa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici