- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidrano Antsirabe II : Omby roa vao avy novidiana nanjavona

Ambohidrano Antsirabe II : Omby roa vao avy novidiana nanjavona

Toerana tsy dia lavitra an’Antsirabe fa ao andrefan’Andraikiba ao no misy ny fokontany Ambohidrano, kaominina Antanimandry Antsirabe II. Tsy mbola nandrenesana halatra omby tao amin’ity fokontany ity hatrizay fa halabotry eny an-tanimboly no mateti-pitranga, hoy ny lehiben’ny fokontany. Efa tongan’ny mpanani-bohitra ny fokontany amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana, fa omby roa vao avy novidiana no nisy naka tao am-bala ny fiandohan’ity herinandro ity. Vao avy novidiana teny amin’ny tsenan’omby ny ombin-tsarety lehibe roa. Tsy nierina akory ny alina dia nisy naka tao amin’ny trano fonenany ireo omby ireo. Tsy nisy nahare ny nakan’ireo dahalo azy ny tao an-tanàna fa ny maraina handeha hamahana omby vao taitra fa faoana ny vala nitoerany. Teo ihany dia raikitra ny antsolava, niezaka nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona nampian’ny mpitandro filamianana, saingy tsy nahitam-bokany intsony. Ny andro rahateo somary nanorana ka vetivety dia tsy tazana ny dian’omby. Matetika tsy miala lavitra ny tanàna nangalarana ny omby no hita ny ambin-kena, na lohan’omby sy taolana, satria vonon’ireo dahalo ny omby, rasainy mba hanamora ny fitaterany azy, saingy tamin’ity kosa dia tena nanjavona ny omby iray manontolo. Ankoatra ny halatra omby miseho ao Ambohidrano dia manjaka ihany koa ny halatra voly eny an-tanimbolo, toy ny katsaka, tsaramaso sns. Antony iray mampirongatra ny halatra ny andro fahavaratra, iaraha-mahalala koa anefa ny fidangan’ny vidim-piainana, zara raha misakafo ny ankamaroan’ny maro, indrindra eny ambanivohitra eny.

Andry N

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici