Nandriaka indray ny rà ! Olona fito no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny omaly maraina tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any. Ny iray amin’izy ireo no fantatra fa tena naratra mafy tokoa tao anatin’izany, ary voatery nampiakarina taty an-drenivohitra. Fiara mpitatitra olona ao anatin’ny zotra 143, izay mampitohy an’Itaosy sy Mahamasina ity namoa-doza ity. Hatreto dia mbola ifampitadiavana ary anaovan’ireo zandary eny an-toerana savahao ny mpamily sy ny mpanampy azy, izay nitsoaka taorian’ny nitrangan’ny loza. Araka ny fanazavàna azo dia olana ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza, satria dia nilaozan’ny hisatra ity « sprinter » ity. Somary nandeha mafy ihany tao anatin’izany ary teo am-pifanenana tamina fiara iray hafa, no tsikaritry ny mpamily fa tsy afa-nijanona intsony izy. Nanomboka teo, hoy ny fanazavàna azo, no niezaka nanajanona ity fiara nentiny ilay mpamily. Nandritra izany anefa dia efa nahadona mpitondra bisikleta iray ilay taxibe. Efa nitrosona teny amin’ny vodihazo ihany koa saingy mbola tsy tafajanona ihany. Hany heriny dia nadona tamina andrin-jiro iray teny teny an-toerana. Loza anefa fa teo am-bodin’ity andrin-jiro ity dia nisy mpivarotra mpanao taxi-phone iray, izay voatery tao. Naratra mafy ary tapatapaka vokatr’izay dona nahazo azy izay ity farany, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Nisy tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara ihany koa naratra. Noezahina novonjena avy hatrany ireto naratra ary nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana teny an-toerana. Tsy vita tany kosa anefa ny fitsaboana ilay mpanao taxi-phone ka voatery nampiakarina taty an-drenivohitra. Tao anatin’izany savorovoro rehetra izany dia tafaporitsaka ary tsy hita tany nanjavonana hatramin’izao ny roalahy, ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ilay fiara nahavanon-doza kosa hatreto dia efa nogiazan’ny mpitandro filaminana.
m.L