Raha nilamindamina teo aloha ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny dia niverina indray izay ankehitriny. Ny alahady lasa teo, andian-jiolahy teo amin’ny 12, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny tananan’i Mangarivotra, kaominina Antsahafilo-Ambohidratrimo. Nirefodrefotra ny basy tamin’io fotoana io. Soa ihany anefa fa tsy nisy aina nafoy na olona naratra. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia in’enina teo no nanapoaka basy ireto olon-dratsy ireto, ho fampitahorana ireo mponina. Tokantrano maromaro tao an-toerana no lasibatra tamin’izany. Ary omby teo amin’ny 15 teo kosa no lasan’ireto malaso ireto, niaraka tamina fitaovana sarobidy maromaro, raha ny vaovao hatrany. Tao anatin’ny fotoana fohy ihany no nanantanterahan’izy ireo ity asa ratsy ity, raha ny fantatra hatrany. Nitsoaka nihazo an’iny faritra Sadabe iny ireto dahalo ireto taorian’ny fanafihana. Fantatra fa zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo sy avy ao amin’ny poste avancé-n’Imerimandroso, niaraka tamin’ny fokonolona tao an-toerana no nanara-dia ireo andian-jiolahy ireto. Tsy maintsy natao kosa ny fiambenana ny kizo, sao mizotra mankany ireto malaso ireto, ka ny zandary avy ao Sadabe no niandraikitra izany.
m.L