- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Ady anaty bal, lehilahy iray maty voatsindrona antsy

Ambohidratrimo : Ady anaty bal, lehilahy iray maty voatsindrona antsy

Tamin’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 12 ora alina, raikitra ny ady teo amin’ireo olona namonjy « bal » tany amin’ny tanana antsoina hoe Mangarivotra, tsy lavitra ny « bout de piste » Ivato, disitirikan’Ambohidratrimo. Vokany, lehilahy iray no namoy ny ainy voatsindrona antsy teo amin’ny kibony sy voakapoka « bois rond » teo amin’ny handriny. Maty tsy tra-drano io olona io. Nisahotaka ny olona teny an-toerana ary nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa rehefa nandeha kelikely ny alim-pandihizana dia nisy ny disadisa. Olona avy amina tanàna roa mifanakaiky no niandohan’izany, hoy ny vaovao voaray. Sendra ny be no ho ny vitsy anefa, niala ireo tsy tompon’ny tanàna. Enina ry zalahy. Nisy nanenjika nefa izy ireo ka tratra ny iray. Io farany io no namoy ny ainy vokatry ny vono nahazo azy. 28 taona eo izy io. Niala 2 km ny tanààna no nahafaty azy, hoy hatrany ny filazan’ny mpitandro filaminana. Efa tonga nizaha ny razana ireo tompon’andrikitra voakasika amina fahafatesana sahala amin’izao. Nisokatra teo no ho eo ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Olona roa no nosamborina sy natao famotorana. Niakatra teny amin’ny tiribonaly izy ireo ary noafahan’ny fitsarana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici