Ny 6 septambra teo, tamin’ny 9 ora maraina, mpanarato iray no nampandre ny sefo fokontany sy ny zandary, fa nisy fatin’olona natsingevan’ny rano teny Imamba, tao amin’ny fokontany Andriantany Ambohidratrimo. Rehefa nampakarina teny an-tanety ny razana, dia fantatra daholo ny momba an’ ity olona ity. Mbola tany aminy avokoa mantsy ny taratasy rehetra momba azy ary nahitana vola hatrany amin’ny 810 400 ariary koa teny am-balahany. 40 taona izy izao hita faty izao ary nonina teny Morondava Antehiroka Ambohibao. Araka ny filazan’ny fianakaviany, dia efa tamin’ny 31 aogositra 2016 no tsy hita io lehilahy io. Ny fatiny sisa tany anaty rano. Tonga nizaha ny razana ny dokotera niaraka tamin’ny zandary avy ao Ambohidratrimo. Tamin’ny fizahana ny razana, dia nahitana mangana ny tendan’ilay maty. Efa nomena ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy sy ny vola hita tany aminy.
r.s.