Ny herinandro lasa teo no voalaza fa tafatsoaka teo am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana nitondra azy hiatrika fitsaràna teny Anosy ity lehilahy ity. Ny alakamisy lasa teo dia nahazo vaovao ny avy eo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava fa hita miriaria teny amin’iny faritra Ambohidratrimo ny lehilahy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany, raikitra ny ankitifitra.
Raha ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany dia anisan’ireo jiolahy raindahiny, voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny terantany vahiny , fitazonana basy mahery vaika ary fikambanan-jiolahy ity lehilahy ity. Mazava ho azy fa efa voasambotra izy tamin’izany fotoana izany ary efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nadoboka vonjimaika teny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy ranamana, hiandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha ny voalaza hatrany dia tokony ny alakamisy 09 septambra lasa teo izany fitsaràna azy, ary nentina avy any am-ponja ny tenany, hiakatra etsy Anosy. Noho ny antony tsy fantatra anefa aloha hatreto, dia voalaza fa tafaporitsaka sy tafatsoaka tamin’izany ny lehilahy. Nanomboka teo no nikarohana azy. Herinandro taty aorian’io nitsoahany io no nahazo vaovao ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika fahefatra fa toa hita mihaodihaody teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny izany olon-dratsy izany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ary tena hita tao amin’ny toerana voalaza tokoa izy. « Vao nahatazana azy ireo lavitra ilay lehilahy dia nitsoaka sy nirifatra avy hatrany. Tsy nanana eritreritra ny hijanona anefa ity farany nandritra ny ny fifanenjehana ka voatery nitifitra teo amin’ny feny ny polisy » hoy ny loharanom-baovao. Naratra ary tsy afa-nihetsika intsony noho izay moa ity lehilahy ity, izay nomarihan’ny pôlisy fa anisan’ireo jiolahy rain-dahiny amin’ny fakàna an-keriny, ka noraisim-potsiny. Nentina avy hatrany nihazo tobim-pahasalamana aloha, hitsaboana ny ratra nahazo azy. Ary rehefa nahazo izany dia natolotra indray ny tompon’andraikitra mahefa, raha ny nambaran’ny pôlisy hatrany.
m.L