- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Kamiao nianjera tany an-kady, maty tsy tra-drano ilay mpamily

Ambohidratrimo : Kamiao nianjera tany an-kady, maty tsy tra-drano ilay mpamily

KAMIAOZava-doza indray no nitranga omaly, teny Antohibe Ambohidratrimo. Kamiao iray no nianjera tany amin’ny hantsana ka  nahafaty ny mpamily nitondra azy. Voalaza fa efa alina no nitrangan’ity loza ity saingy ny maraina tamin’ny 6 ora sy sasany tany kosa vao hitan’ny fokonolona ny zava-nitranga. Ireto farany no nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra teny an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana hijery akaiky ny zava-misy. Marihina fa kamiao mpanamboatra làlana eny amin’ny « Digue » Andohatapenaka ity nivarina an-kady ity. Hatreto, tsy misy mahafantatra izay tena zava-niseho marina sy ny antony nitarika izao loza izao. Raha ny fijerin’ireo rehetra nanatri-maso, dia ny halalin’ny tevana izay manodidina ny 20 metatra eo miampy ny hamafin’ny dona sy tsindry nahazo ilay mpamily no nitarika  ny fahafatesany. Tombanana ho manodidina ny tamin’ny 2 ora maraina kosa no nitrangan’ny loza. Ny fanazavana nentin’ny Komandin’ny Zandarmaria Ambohidratrimo no nahafantarana, fa tamin’ny 1 ora sy sasany maraina io kamiao io no farany nanao « pointage » teny Andohatapenaka, talohan’ny nodiany teny Ambohidratrimo. « Fanaon’ireo mpitondra kamiao ireo ny maka toerana takontakona sy sisintsisiny rehefa vita ny asan’izy ireo, mba hatoriana amin’izay. Maizina dia maizina anefa ny andro ka azo eritreretina fa tsy tsinjon’ilay mpamily ny lavadavaka tamin’ny làlana nalehan’ilay fiara izay tena antsisiny tokoa. Ireo lavaka ireo anefa dia manodidina ny 15 metatra eo avokoa. Tafiditra tany ny kodiarana ka dia nitarika ny fianjeran’ilay fiara tany amin’ny hantsana » hoy hatrany ny tenany. Efa nalefa eny amin’ny hopitaly CHU Anosiala ny razana ary efa tonga eny ihany koa ny fianakaviana tompo-manjo.

Niony H.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici