- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Kamiao nivarina an-kady, namoy ny ainy ny mpamily

Ambohidratrimo : Kamiao nivarina an-kady, namoy ny ainy ny mpamily

Lehilahy iray, mpamily fiarabe  no maty tsy tra-drano ny alarobia vao maraina lasa teo, rehefa notsindrian’ilay fiara nentiny. Ity farany izay nivadika sy latsaka tanaty anaty hantsana, tokony ho metatra maromaro teo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankadibe, eo amin’ny PK13 amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ao Ambohidratrimo no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary tany an-toerana. Nitatitra ranon-tany ity fiarabe nentin’ity lehilahy ity, ary avy nanary izany tany amin’iny faritra Alakamisy Ambohidratrimo iny. Teo amin’ny fiolanana iray no sady fiakaram-be no nahita fiara tsy mataho-dalana iray niantsona amoron-dàlana ny mpamily. Taitra tamin’izany izy ka nikasa ny hampidina ny “vitesse” kanjo nihitsoka ny môtera ary dia maty ny fiara. Teo no nanomboka nitambotsotra ity kamiao ity, eny fa na dia teo aza ny ezaky ny mpamily nanitsaka ny hisatra. Tsy voatanan’ity farany intsony moa izany ary dia nivadika sy nivarina tany anaty hady ilay fiara. Tsy nisy afa-tsy io mpamily io irery no tao anatiny, raha ny angom-baovao azo. Izy izay tsy afa-niala akory fa dia potsitra niaraka tamin’ny fiara, izay simba tanteraka tao. Niara-nirona namonjy ity niharam-boina avy hatrany ireo mponina izay nahita, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny tamin’ilay mpamily. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy avy hatrany moa ireo zandary misahana iny faritra iny, niaraka tamin’ny mpitsabo. Voatery nosokirina tao mihitsy ny vatana mangatsiakany. Taorian’ny fizahana dia natolotra ny fianakaviana izany. Tetsy andanin’izay kosa dia nanokatra ny famotorana ireo zandary teny an-toerana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici