Miverina indray ny resaka vaky fasana mba hangalarana tolambalo any amin’ny faritra maro amin’izao fotoana izao. Ny mahavariana amin’ity raharaha ity anefa dia tsy mbola fantatra mihitsy hatreto ny tena ilana izany taolana izany sy ireo olona izay tena mividy izany. Ny mampahalahelo anefa dia ny mahita ireo fianakaviana tompom-pasana voaroba ka mamoy ny taolambalon’ireo havany tsy satry toy ity vao nitranga tamin’ny tapaky ny volana aogositra lasa teo ity, tao amin’ny kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. Ny 14 aogositra tamin’ny 10 ora sy sasany maraina dia nahazo antso tamin’ny Sefo fokontany Manakambahiny, kaominina Anosiala, ny zandarimaria Ambohidratrimo fa misy fasana vaky ao amin’ny fokontany iadidiany. Vao naharay izany dia nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary miisa 02 nijery ifotony ny zava-misy. Hita tamin’izany fa fasana miisa roa no vaky ary mitanilanila ny varavaram-pasana. Fantatra ihany koa mponina ao amin’ny fokontany ihany no tompon’ireo fasan-drazana ireo izay miorina eo amin’ny 12 kilometatra miala ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo. Tamin’ny fitsirihana voalohany nataon’ny mpitandro filaminana no nahitana fa mbola tsy nisy olon-kafa niditra na nikitika teo amin’ireo fasana ireo ka heverina fa mety ho mora ihany ny hikarohana ireo nahavanon-doza. Araka ny voalazan’ny tompom-pasana dia taolan-dava no nalaina ary razana iray no very tao. Natao ary ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny alika mpitsongo-dia nefa tsy nahitam-bokany izany. Noho izany dia nasaina hametraka taratasy fitoriana olon-tsy fantatra ny tompon’ny fasana vaky. Nentanina ihany koa ny fokonolona mba samy hijery ny fasany avy. -Namporisihana ihany koa ny mponina mba hifanome vaovao raha vao mahita sy mahatsikaritra zavatra mifandraika amin’izany. Arak any angom-baovao farany mikasika ity raharaha ity dia mbola tsy misy olona voasambotra hatreto ka mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
T.M