- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Sivy lahy nidaroka olona nandalo, nosamborin’ny polisy

Ambohidratrimo : Sivy lahy nidaroka olona nandalo, nosamborin’ny polisy

Lehilahy miisa sivy no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle Anosy sakelika faha roa ny 13 ka hatramin’ny 15 jona lasa teo teny Anosiala Ambohidratrimo. Nampangaina izy ireo ho nandratra mafy lehilahy iray teny amin’iny faritra iny ny faha-16 aprily lasa teo teny Ankorondrano eny amin’iny faritra iny. Tamin’io fotoana io, voalazan’ny vaovao fa nisy fisotrosotroana teny an-toerana. Rehefa izany dia nandeha nody izy sivy ireo. Teny an-dalana, nifanena tamina lehilahy ry zalahy ireto. Teo tsy fantatra izay niseho fa toa hoe nilan-dry zalahy vanona ilay olona ary dia niafara tamin’ny fidarohana izany. Naratra mafy tokoa ilay niharan’ny vono. Voa mafy ary tsy nahatsiaro tena nianjera tamin’ny tany ilay lehilahy. Rehefa nahita ny fahavoazan’ny havany ny fianakaviana dia nametraka fitoriana teny anivoan’ny polisy misahana ny Ady heloka be vava. Niroso tamin’ny famotorana ny mpitandro filaminana. Avy amin’izany no nahafantaran’izy ireo ireo sivy lahy nidaroka ilay olona teny an-dalana. Ny vaovao nampitain’ny polisy hatrany no nahafantarana fa rehefa nohadihadiana izy ireo dia tsy nandà ny zavatra nataony. Omaly alakamisy no natolotra ny Fampanoavana ireo olona sivy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici