- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Telolahy nitondra kalaky nandroba, voadaroka ny mpiambina

Ambohidratrimo : Telolahy nitondra kalaky nandroba, voadaroka ny mpiambina

Nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodifasana Imerimandroso disitirikan’Ambohidratrimo, ny asabotsy teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa nisy telo ireo mpandroba, nitondra basy lava ary nanao saron-tava. Efa alina ihany tamin’izay satria tokony ho teo amin’ny 10 ora teo ho eo. Niditra ilay tanana ireo olon-dratsy. Hitan’ny mpiambina izany zavatra izany. Tsy afaka nanao na inona na inona anefa ity farany, fa avy hatrany dia niharan’ny daroka. Naratra mafy vokatr’izany izy ary tsy maintsy nentina notsaboina. Efa tsy misy atahorana kosa anefa ny fahasalamany, hoy hatrany ny vaovao. Niditra ny trano ireo jiolahy ary vola no notadiaviny. Tsy nahita izany anefa ry zalahy, satria toa hoe tsy nisy tao. Solosaina iray no voalaza fa lasany. Nampandre ny mpitandro ny filaminana moa ny tompon-trano. Rehefa teny an-toerana izy ireo, dia nijery ny zavanisy. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici