- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Tokantrano voatafika, maty voatifitra ny tompon-trano

Ambohidratrimo : Tokantrano voatafika, maty voatifitra ny tompon-trano

Nitrangana fanafihana mivaivavy teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Tokantrano iray tao amin’ny fokontany Anovorano, Imerimandroso distrika Ambohidratrimo. Ankoatr’ireo entana sarobidy lasan’ireo olon-dratsy mantsy dia maty voatifitra tao anatin’izay rangahy tompon-trano ary naratra mafy ny vadiny. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia manodidina ny tamin’iray ambin’ny folo alina teo no nanao amboletra niditra tao amin’io tokantrano io ny andian-jiolahy maromaro nirongo basy. Tsy fantatra mazava izay tena nitranga tao ka nahatonga ny tifitra variraraka nahafaty ilay raim-pianakavina. Heverina no nisy fifanoherana tao na tsy nanaiky velively izay nangatahin’ireo mpanafika angamba, na izy na ramatoa vadiny ka voatery nampiasa herisetra ankitsirano ireo jiolahy. Bala maromaro araka izany no niantefa teny amin’ilay rangahy. Nandriaka ny rà ary maty tsy tra-drano vokatr’izay izy, araka ny fampitam-baovao azo. Ilay ramatoa kosa dia niharan’ny daroka sy vono. Hany ka naratra mafy ihany koa vokatr’izay. Rehefa avy nanjakan’ireo andian-jiolahy toa izany ity tokatrano ity ary nibata izay zakany izy ireo dia nitsoaka nandositra. Ireo fokonolona teo an-toerana no niezaka namonjy ireo niharam-boina ary nitondra ilay naratra tany amin’ny hôpitaly. Marihana, hoy hatrany ny angom-baovao azo fa ny maraina tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any, izay hoe efa adim-pamantaranandro maromaro taorian’ilay trangam-panafihana vao nisy nampandre ireo mpitandro filaminana. Na izany aza moa dia tonga teny an-toerana avy hatrany izy ireo fotoana fohy avy eo, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana, hikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici