- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Vehivavy hita faty tsy nisy ilany intsony

Ambohidratrimo : Vehivavy hita faty tsy nisy ilany intsony

Nihoron-koditra izay nahita ilay razana, tetsy amin’ny fokontany Anosiavo-Ambohidratrimo.  Manodidina ny tamin’ny folo ora maraina no hitan’ny mponina izany teo amin’ny fasam-bahiny. Tsy nisy ilany intsony ny vatany ary toy ny notapahina roa. Niboridana tanteraka ny tapany ambany. Raha ny endriky ny vatany, dia tombanan’ny olona ho manodidina ny roapolo taona eo. Mbola mananosarotra ny fanadihadiana izay nanjo ity vehivavy ity noho ny silany izay tsy hita. Tsy misy namantarana azy rahateo vokatr’izany. Na izany aza, dia efa nifandimby nanao ny asany ny zandary sy ny dokotera nijery razana. Ny olona teo an-toerana dia samy nanamafy, fa tsy mponina eo amin’ny manodidina io vehivavy hita faty io. Nalevina avy hatrany izany rehefa vita ny fijirihina izay nataon’ny manampahefana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici