Raim-pianakaviana iray no naratra vokatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy, nandritra ny fanafihana toeram-pivarotana enta-madinika sy zava-pisotro iray teny Ambihijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy hariva teo. Araka ny loharanom-baovao, dia mbola teo am-pivarotana ity niharam-boina sy ny vadiny no niditra tampoka ny lehilahy roa. Tsy nisy alaharo fa nitifitra avy hatrany izy ireo ka nahavoa ilay rangahy. Avy eo dia nandraoka ny vola tao anaty fitoeram-bola. Vokany naratra mafy ilay rangahy; izay mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly hatramin’ny omaly, fotoana izay nanoratanay izao vaovao izao. Vola 40 000 ariary no voaroba. Raha vao nandre izany ny zandary dia nidina teny an-toerana avy hatrany mba hanao ny fanenjehana ireo nahavanon-doza. Ireto farany izay efa tafatsoaka. Ity tranga ity dia manaporofo, fa miverina indray ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Atsimondrano iny tato ho ato. Efa notaterina matetika teto ny fisian’ireo jiolahy izay nampihorohoro ny mponina teny amin’iny faritra iny, teo aloha teo. Ahiana arak’izany fa izy ireto ihany no miverina manao ny asa ratsiny ity.
T.M.