Tsy mbola maina akory ny ravina nihinana, hoy ny zandary dia noraisim-potsiny izy roa lahy ireto, noho ny fisiana GPS tao anatin’ilay môtô nangalarin’izy ireo.
Amin’izao, ireo mpanao taxi-môtô indray no ataon’ireo olon-dratsy mahita faisana mihitsy, indrindra moa fa ireo taxi-môtô miasa amin’ny alina. Tsy vitan’ny hoe halatra môtô tsotra intsony fa mbola miampy fandrombana, fanendahana ary mety tonga hatramin’ny famonoana mihitsy aza. Toy ny nitranga tamin’ity taxi-môtô iray miasa alina, teny amin’ny manodidina an’Analakely iny. Ny alin’ny zoma manifika teo mantsy dia nisy roa lahy nanatona itony karazana fitaterana itony. Milaza ny handeha hihazo an’Ankorondrano izy roa lahy ireto ary tsy manaiky fa miaraka entina, izany hoe manao taingin-telo izany. Raikitra ny ady varotra ary roso ny dia. Manondro amin’ny 12 ora sy sasany alina ny famantaranandro amin’io fotoana. Vao tonga teny an-toerana anefa dia nivadika tampoka izy roa lahy ireto ary namoaka irony karazana « baton » natokana ho amin’ny mpiambina irony na « tofan » ary avy hatrany dia nanakenda an’ilay mpitondra taxi-moto. Tsy afa-nihetsika intsony ilay zalahy io ka nanararaotra naka ny findainy sy ny moto ireo roa lahy ary nihazo ny lalana niverina hiakatra ho an’ny « ville ». Nitady famonjena avy hatrany ilay mpitondra môtô ary nampandre ny mpampiasa azy. Ity farany indray no nampilaza ny zandary teny Itaosy. Raikitra ny fikarohana tamin’iny misasakalina iny ihany. Marihana hoy ny tompon’ny môtô fa misy GPS ilay môtô ka rehefa narahana dia hita fa teny amin’ny faritra Ambohijanaka teny. Nandehanana avy hatrany teny an-toerana ary indreo eo tokoa izy roa lahy niaraka tamin’ilay « baton », saingy tsy tazana teo ny môtô. Tadidin’ilay mpitondra môtô tsara moa izy ireo ka nosamborina avy hatrany. Tsy ela dia nibaboka ary nanoro ny toerana nanafenan’izy ireo an’ilay kodiaran-droa.
Azo lazaina fa isan’ireo tsara vintana ity taxi-môtô very fitaovana ity fa hita tao anatin’ny fotoana fohy monja ny azy. Efa firifiry tokoa mantsy izay very môtô izay, raha ny fitairanana ao anaty tambajotra sosialy tao ao fotsiny, no mbola miandry ny fiverenenan’ny azy ? Niha-nirongotra tokoa ity tranga iray ity ary na aiza na aiza eto an-drenivohitra. Heverina fa anisan’ny mampirongatra azy ity ny fitomboan’ireo voalaza fa mpivarotra « piesy occasion » etsy sy eroa, na ao anaty tambajotra sosialy io na eny amin’ny sisin-dalana rehetra eny, izay tsy voamarina mazava hoe avy aiza ny entana. Ao ihany koa ny fahamoran’ny famotsiana ireo moto halatra, indrindra fa amin’ny lafin’ny taratasin’ny môtô, noho ny fisian’ity resaka « BL » (bon de livraison), etsy sy eroa ity sy ny fivarotana « facture vierge » ataon’ireo mpivarotra sasantsany. Tsy manana laharana manokana, voasoratra any amin’ny Fanjakana toy ny fiara sy ny môtô sasantsany mantsy ny ankabeazan’ireo scooter ka mora fotsiny ny manolo ny « facture »-ny, izay hany taratasy tokana hamantarana ny mombamomba an’ilay fitaovana. Mety ary tokony hirosoana haingana dia haingana araka izany ny fanomezana laharana sy « carte grise » an’ireo môtô scooter ireo, hisorohana ny halatra môtô. Terena ihany koa ireo mpivarotra hanome taratasy ara-dalàna ny môtô amidiny ary henjehina ireo tsy mandika lalàna.
m.L




