- Publicité SW45 -
mardi, avril 16, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Sinoa, nanapoaka basy nandrahona ny mpiasany, nosamborina

Ambohijanaka : Sinoa, nanapoaka basy nandrahona ny mpiasany, nosamborina

Nosamborina ary notanana avy hatrany, ny sinoa iray nanapoaka basy in-telo nandrahona mpiasa teny amin’ny kariera famakiana vato eny Ambohijanaka ny herinandro teo. Raha ny fanazavana azo, vokatry ny fifandirana teo amin’ity sinoa ity sy ny mpiasany, noho ny fiara simba nahatonga ny olana. Niakatra ny hatezeran’ilay sinoa ary namoaka basy ary nanapoaka izany nentina nandrahonana ilay mpiasany. Nitaraina teny anivon’ny zandary ireo olona niharan’ny fandrahonana ka nidina teny avy hatrany ireo. Nosamborina ilay sinoa ary notanana nanaovana fanadihadiana. Araka ny voalazan’ ireo voatohitohina, izay mpiara- miombon’ antoka amin’ilay sinoa amin’ny asa famakiana vato dia nisy fifandirana mikasika ny fiaraha- miasa ity sinoa ity. Nisy fahasimbana ny fiaran’ireo malagasy ireo izay nampiasan ‘ny Sinoa. Nangataka ny hanamboaran’ ireo Sinoa izany ireo Malagasy ka teny tsy misy fanajana no setriny izay niteraka ny fifamaliana. Saika niafara tamin’ny ady totohondry izy ireo. Namoaka basy tany am- balahany sy nanapoaka izany in-telo ilay sinoa. Ny zandary tao Andoharanofotsy nandray ny andraikitra tamin’ny fisamborana ilay sinoa. Nosamborina teny Mahaimandry Kaominina Ambohijanaka izy io ka nentina notazomina ao amin’ny biraon’ny zandary Andoharanofotsy hanaovana fanadihadiana. Tratra tany aminy ny basy napoakany, basy poleta marika “Browning’ s Patent » calibre 7,65 mm » ary bala.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici