
Lehilahy iray sendra tratra hariva no voaendaka teo amin’ny tambohon’ny zaridainan’Ambohijatovo ny alakamisy teo. Tsy alim-be akory satria manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany teo izany no nitranga. Ireo “4’mi” marobe no hitanay nanatontosa an’izany ary tsikaritray fa avy ao amin’ilay kizokizo ambanin’ny Jirama no niavian’ireo, raha araka ny fitantaran’ny rangahy iray izay nahita maso ny zava-nitranga. Nobatain’ireo olon-dratsy marobe hatramin’ilay rangahy mihitsy sady nodarohina sy noratraina mba hahazoana ny zavatra teny aminy. Vetivety taorian’izay dia tsy hita intsony ireo olon-dratsy namonjy ny kizokizo indray…
D.R