- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Mpanao gazety naratra mafy voadonan’ny fiara

Ambohijatovo : Mpanao gazety naratra mafy voadonan’ny fiara

Izy hanatontosa ny asany andavan’andro ka nandeha fiara fitateram-bahoaka no nitranga ny olana raha niala izany. Nisy fiara nandona raha vao nidina kely ilay taxi-be. Naratra mafy ilay mpanao gazety, talen’ny famoahana eo anivon’ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra. Nentina faran’izay haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana mba ho fanavotana ny ainy. Mikorotana hatrany ny fifamoivoizana eo an-toerana, indrindra amin’ny ora fidiran’ny mpianatra sy ny mpiasa. Misisika ny fiara ary torak’izany koa ny kodiaran-droa. Etsy andaniny koa ny taxi-be manao ny ataony ary efa betsaka izay nandratra sy namono olona izay noho ny fahatapahan’ny hisatra. Lasa mampatahotra ny mandeha an-tongotra eo Ambohijatovo vokatr’izany rehetra izany. Ny toerana fandehanan’ny mpandeha rahateo efa lasa bodoin’ny mpivarotra antsisin-dàlana hany ka lasa tsy maintsy mandeha arabe ny olona rehefa mivezivezy. Tsy Ambohijatovo ihany anefa no hijalian’ny mponina sy ny mpampiasa làlana fa saika ireo kartie rehetra eto an-drenivohitra dia tsy misy handehanan’ny mpandeha intsony, ny arabe anefa mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana. Momba ilay mpanao gaety dia tsy nahatsiaro tena avy hatrany izy raha vao voadona. Ny olona no nifanampy haingana tamin’ny fibatàna azy tao anaty fiara iray « pick up » izay nanao ny fitaterana teny amin’ny hopitaly. Raha ny heno dia mbola nanaraka fitsaboana tanteraka izy omaly satria tsy maintsy nandalo fitaràfana samihafa ny vatany noho ny dona izay nanjo azy. Misesy loatra ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra izay mampitondra takaitra ny maro. Isan’ny lohahevitra tokony hodinihina koa angamba ao anatin’izao fanavaozana izao ny resaka fifamoivoizana an-tanan-dehibe satria mampijaly loatra ny mponina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici