- Publicité SW45 -
mardi, avril 16, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Mpisoloky amin’ny « cash point » voasambotry ny pôlisy

Ambohijatovo : Mpisoloky amin’ny « cash point » voasambotry ny pôlisy

Ingahy mpisoloky.

Teti-dratsy tsotra kanefa nahavitàna nisoloky « cash point » maromaro, araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. «  Ataony Mvola ny anarany amin’ny findainy ka rehefa manantona ireny cash point reny izy dia mandefa SMS ka alainy fotsiny avy eo ny vola »

Ny talata lasa teo no voasambotry ny pôlisy tetsy Ambohijatovo ny lehilahy iray, tokony ho 28 taona, noho izany resaka fisolokiana. Araka ny fanazavana azo dia fitairanana avy amin’ny mpitantana irony toerana fandefasana sy fandraisana vola irony na « cash point » no nidinan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Efa malaza ratsy ity lehilahy ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo ary tamin’io fotoana io dia tra-tehaka am-bodiomby teo amin’ilay toerana mihitsy ranamana. « Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny heloka vitany izy. Natolotra ny fampanoavana ka nampidirina eny am-ponja eny Antanimora ity mpisoloky ity » hoy hatrany ny vaovao.

Raha ny isan’izay mpisoloky voasambotra sy nampidirina am-ponja izay, tokony efa mba hadio ny tanana… kanefa tsy izay no zava-miseho. Ny eo voasambotra, ny eo mipoitra ihany. Ary amin’ity resaka fandefasana sy fandraisana vola amin’ny finday ity no tena kilalaon’izy ireo sy ahitàn’izy ireo  fomba hafa foana hanatanterahana ny asa ratsiny. Ny mahagaga sy mahavariana ihany koa, dia tsy maintsy misy foana olona lasibatra. Mila mailo !

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici