- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Basy « kalach » telo tra-tehaky ny miaramila

Ambohimahasoa : Basy « kalach » telo tra-tehaky ny miaramila

Mitohy hatrany ny fampandriana fahalemana sy ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana any amin’iny distrikan’Ambohimahasoa sy ny manodidina iny. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia basy mahery vaika « kalach » miisa telo be izao no fantatra fa azon’ireo miaramila avy ao amin’ny Zrps Alpha 2 tao amn’ny kaominina Fiadanana sy Ambalakindresy, tany amin’iny distrikan’Ambohimahasoa iny. Raha ny fampitam-baovao azo dia voalaza fa nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo no nahatratrarana ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Natolotra avy hatrany ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana any an-toerana moa izany mba hanaovan’izy ireo famotorana akaiky mahakasika ny loharano niavian’izany basy izany. Matetika tokoa ny fifandanjan-kery, eo amin’ny ireo mpanao ratsy sy ny mpitandro filaminana, indrindra fa amin’ny lafiny fitaovam-piadiana no antony manosika iretsy voalohany hanohy hatrany ny asa ratsiny, eny fa na dia ho tonga hatramin’ny fihantsiana ireto farany mihitsy aza izany. Heverina araka izany fa ny fahafantarana ny loharano iavian’ireo fitaovam-piadiana eny an-tanan’ireo dahalo dia ampy hamongarana hatramin’ny fakany izany asa ratsiny izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici