- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Nametrahana toby miaramila ao Ambalakindresy

Ambohimahasoa : Nametrahana toby miaramila ao Ambalakindresy

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika sabotsy 9 oktobra lasa teo ny « Détachement Spécial de Sécurité » na DSS ao Ambalikindresy, distrikan’Ambohimasoa, izay tafiditra ao anatin’ny Faripiarovana sy Fandriam-pahalemana Andringitra. Nanatrika izao lanona izao ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin. Nosafidiana hametrahana izao toby izao ity toerana ity noho izy voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo, noho izy saro-dalana sy mitokana. Raha tsiahivina dia tanjona lehibe amin’ny fanavaozan-drafitra ny hanakaikezana kokoa ny vahoaka. Araka izany, ity toby ity, dia fitaovana iray lehibe hoentina manafoana ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny Fari-piarovana sy Fandriam-pahalemana Andringitra ka ahafahan’ny vahoaka any an-toerana mamokatra am-pilaminana sy mifantoka tanteraka amin’ny asa fampandrosoana. Marihina fa ny DSS dia mitovy amin’ny « Base Opérationnelle Avancée na BOA » toy izay notokanana ao Iakora, faritra Ihorombe, vao tsy ela akory izay. Saingy, kely kokoa izy raha oharina amin’ny BOA satria dia mirefy 392m2, misy trano miisa 3, ahitana toerana ahafahana miomana amin’ny hetsika atao, toeram-piasana, birao sy toerana fatoriana ary toeram-pisakafoana. Manaraka ny fenitra tokoa ity toerana ity satria dia misy herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy famatsiana rano avy amin’ny lava-drano, toeram-pidiovana sy fivoahana ary toeram-pitsaboana, na « infirmerie ». Faritra 14 manerana ny Nosy no misy DSS amin’izao fotoana izao ka isan’izany i Vondrozo, Befotaka ary Amboasary Atsimo. Ankoatra ny asa fampandriana fahalemana dia hanome tanana ny vahoaka amin’ny asa fampandrosoana ihany koa ny miaramila.

Nangonin’i T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici