
Raha nihevitra angamba ny tompon’antoka tamin’ny lozam-pifamoivoizana izay nahafaty olona tetsy Ambohimahitsy, fa vitavita hoazy ny raharaha rehefa nitsoaka izy, tsy izany velively no mitranga. Efa tonga soa aman-tsara eny anivon’ny fampanoavana ny raharaha ary misy ny taratasy izay mandidy ny fikarohana sy fisamborana azy avy hatrany raha sendra misy mahita. Fantatra ny laharan’ny fiara sy ny zotra iasany,
amin’ny maha-fiara fitateram-bahoaka azy. Ligne E izay mampitohy an’Ambohimangakely sy Ampasika ilay fiara mitondra ny marika Mercedes Benz, karazany 312 D. Ny zoma 8 jiona lasa teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambohimahitsy. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva no nisy taxi-be iray nandeha mafy ary nifaoka mpandeha scooter. Naratra mafy koa ny mpitaingina io kodiaran-droa io. Tsy nijanona teo ny fahavoazana satria mbola nanitsy tany amin’ny fiara kely iray izay nipetraka teo an-tsisin-dàlana ilay taxi-be. Ramatoa iray sy ny zanany kely no voadona teo ary namoy ny ainy teo am-pitoerana ihany. Nivadika ilay fiara fitaterana, saingy tsy nahasakana ny mpamily azy tsy hitsoaka izany. Izany hoe nitsoaka ny andraikiny rehetra. Nanomboka teo, dia tsy hita izay nanjavonany. Na izany aza anefa tsy sarotra ny namantatra azy, satria tavela teo ny fiara sy ny taratasin’izany. Nahoraka ary nampalahelo ny olona maro iny lozam-pifamoivoizana iny. Indrindra koa raha nahafantatra ny olona, fa fianakaviana malagasy izay monina any ivelany fa mba naka rivotra kely nitsidika ny firenena no niharan-doza, loza izay noho ny hetraketraky ny mpamily taxi-be iray. Ontsa ny olona raha nahita ny vadin’ny maty sy ny zanany lahikely iray, izy roa ireo izay hany sisa velona tao anatin’ilay ankohonana ary nahita maso ny fahafatesan’izy roa voalaza etsy ambony. Andrandrain’ny olona ny hahitana ny tompon’antoka.
D.R