- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Misy dahalo, ravan’ny zandary

Ambohimalaza : Misy dahalo, ravan’ny zandary

Toerana miala 20 km an’andrenivohitra Ambohimalaza, saingy efa tongan’ny dahalo mpangalatra omby. « Nisy olona mampiahiahy mihaodihaody sy mampiahiahy miaraka amin’ny teo amin’ny kijana amin’ny faritra antsoina hoe  Nangoroa, fokontany Ambatofotsy-Ambohimalaza. Vantany vao voaray ny fampandrenesana dia nalefa haingana teny an-toerana ireo zandary mpanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny toerana voalaza ary nanao ny ny fanaraha-maso sy hanadihady ny zava misy », raha araka ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ny zanatobim-paritra Ambohimalaza. « Ny fahatongavan’ny zandary mpanao fisafoana teny an-toerana no nahitana fa omby vavy iray izay nifatotra teny amin’ilay kijana ary nisy nangalatra teo amin’ny toerana namatoran’ny tompony azy. Rehefa natao ny fanarahan-dia dia hita ilay kijana ary toraka izany koa ilay omby very. Tratra ambodiomby teo ny nangalatra azy. Ny omby kosa dia efa voafatotra tongotra aman-tànana.

Ny fanadihadiana savaranon’ando tamin’ilay mpangalatra omby no nahafantarana fa niandry ilay fiara saika hitondrana azy io omby io. Notanana natao andrimaso ilay moangalatra omby ary naverina  tamin’ny tompony ny omby halatra rehefa voamarina ireo taratasy manamarina izany”, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany. Nidoboka am-ponja noho ny halatra omby ilay lehilahy voasambotra. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny vehivavy iray izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba aminy. Nilaza ny zandary ny mbola hanohy ny fanadihadiana satria misy tambajotra ao ambadik’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici