Tonga hatreny Andravoahangy ny fisamborana ireo olon-dratsy. Aty an-drenivohitra no misy ny toeram-panafenana ireo entana halatra avy amin’ny vaky trano. Teny Ambohimalaza no niainga ny vaky trano nisesisesy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny zandary dia voasambotra ny tovolahy iray voalohany izay tompon’andraikitra tamin’izany. Avy amin’io no nahafantarana sy nahasarona ny ambiny rehetra. Jiolahy roa hafa no azo ary nisy ramatoa iray koa. Io vehivavy io no mpandray ny entana sy mpanafina izany ao amin’ny toeram-ponenany etsy Andravoahangy. Antsoina hoe « Tagogo » ilay voasambotra voalohany, izay sady lehiben’ireo mpamaky trano. Efa miasa anaty tambajotra izy ireo hany ka haingana dia tsy hita eny amin’ny manodidina intsony ny entana halatra fa avy hatrany dia afenina aty an-drenivohitra. Kojakojan-tokantrano marobe sy fitaovana elektronika no sarona nandritra ny fisavàna ny tranon’ilay ramatoa mpandray halatra tetsy Andravoahangy. Natolotra ny fampanoavana izy ireo noho ny vaky trano, fividianana entana halatra ary koa fanafenana halatra.
D.R