Anaty tambajotra iray ihany izy ireo. Ny sasany mpamaky trano, ny sasany mpivarotra entana halatra ary ny sasany mpamatsy rongony. Momba io farany (rongony) dia ramatoa no tompon’andraikitra. Ravan’ny zandary misahana ny zanatobim-paritra ao Ambohimalaza izany rehefa voasambotra ny olona enina. Taorian’ny fitarainan’ny olona fa nisesy ny vaky trano no niandohan’ny fanadihadiana ary mbola misy olona hafa karohina momba ity raharaha ity. Ny tsikaritra dia tsy mitsitsy, indrindra amin’ny resaka fiparitahan’ny rongony, ny lehiben’ny zandary ao an-toerana. Aminy mantsy dia miainga amin’ny fidorohana hatrany no isan’ny anton’ny tsy fandriam-pahalemana. Manao antso avo ny zandary ao Ambohimalaza mba tsy hisalasala ny hampita amin’izy ireo ny vaovao ary haingana raha sendra misy ny tranga mampiahiahy amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
D.R




